VOASORATRO NY BOKIKO – « MAHAIZA MITARIKA 62pejy »

Posté le Samedi 10 septembre 2011

Vita ny fanambiko tamin’ity taona 2011 ity, vita 98% ny fanoratana ny bokiko, ho amidy izy ity re olona, kanefa azonao jerena ato ihany ny fichier numerique

VOASORATRO NY BOKIKO - Sombin’ny boky

Tsy azo impriména re fa mba mividy boky amin’izay kosa e!

alefaso mail any amin’ity adiresy ity ny commande e:

razokilaz@yahoo.fr

Filoha Andry @ 17:18
Enregistré dans FICHE TECH
MITARIKA FA TSY MIBAIKO

Posté le Vendredi 31 décembre 2010

bekotro groupesalut!

vita ny lasy fanofanana 2010, Natsiro tsara sady nandreraka!, betsaka ny vaovao sy ny zavatra azo lazaina fa rehefa manana fotoana alefa miandalana eto ihany, fa te hisaotra ny Bekotro aho, ny mikasika ny bekotro mantsy izao no tena vaovao, akoatr’izany dia miarahaba ny filoha rezionaly vaovao isika:

 

Zoky Domoina Ambohidratrimo nantsoina ho ekipa filoha Rezionaly Tana ( Sampana Maitso)

Zoky Bertine – Iavoloha nantsoina ho ekipa filoha Rezionaly Tana (Sampana)

Filoha Lanto (Rezionaly Tana- Sampana Mavo) nantsoina ho Ekipa Nasionaly (Sampana mena)

Tonia Celestin (To liary) nantsoina ho Ekipa Filoha Nasionaly (sampana maitso)

 Sady faly no misento kely ihany  ny tena! satria tahaka ny raim-pianakaviana , nilaozan-janaka vavy

Samy Bekotro !

Filoha Andry @ 10:58
Enregistré dans BEKOTRO
FICHE TECHNIQUE MAROBE

Posté le Dimanche 30 août 2009

Ireto manaraka ireto misy tahirin-kevitra  maromaro izay noforoniko sy narafitro hanampiana an’ise chef skoto (FSM) na zoky skoto (raha ato amin’ny T.O.M ise), ny tsara dia sokafana any amin’ny onglet hafa izy, azon’ise telechargéna ihany koa sy impriména ary photocopiéna, (raha aty amiko ise no maka mantsy dia manjary mandoa vola! hahaha)

Mazotoa ary , tanana havia!

amin’ny manaraka ny tohiny, Zoky Andry

Filoha Andry @ 12:22
Enregistré dans FICHE TECH, TOROHEVITRA, VAOVAO
SIGNE DE PISTE

Posté le Lundi 6 octobre 2008

Ny singe de piste indray ity nanaovako fiche teknika ity, marihina fa tsy vao izaho akory no namorona , fa nanambatambatra ny zavatra hitako fotsiny aho,

hitako fa tsara sady feno ity fiche teknika ity, ary manomboka amin’ny lesona tsotra ka hatramin’ny signe de piste faran’izay henjana indrindra! misy hoan’ny ambaratonga rehetra:

ity  SIGNE DE PISTE dans ORIENTATION pdf Signe de piste

Filoha Andry @ 16:35
Enregistré dans ORIENTATION
Fiche teknika momba ny Vona !

Posté le Vendredi 3 octobre 2008

Zavatra anakiray izay ampianarina sy ampiasaina aty amin’ny skotisma ny vona, na skoto aiza io na skoto aiza:

Ny vona skoto dia Tsotra, misy endriny, mafy, misy antony sy « tranga » natao hampiasàna azy,  kanefa mety vahàna ihany koa; raha tsy izany dia fatomaty hatrany no hatao rehefa mamatotra zavatra

Mandany andro sy tsy mora ny mitady tahirin-kevitra mikasika ny vona, ary raha mahita aza ise dia vona vitsivitsy monja no hita ao, « jereo ihany fa misy ilay « fatory tsara » an’i Dangoro Rantra iny eny amin’ny fivarotam-boky, tsara tokoa ilay boky , kanefa misy vidiny soa amantsara ihany koa ilay izy (toa efa nohatsaraina le izy raha oharina amin’ilay nampiasainay fahizay).

Raha tsy izany dia ity misy boky izay narafitro , (avy tamin’ny internety), amin’ny teny frantsay ilay izy saingy mora azo tsara kosa anefa;

 

Filoha Andry @ 13:57
Enregistré dans Vona sy Koja
MIAKATRA HO FILOHA…

Posté le Jeudi 2 octobre 2008

IREO ZOKY VOATENDRY HO FILOHA MPIRAY DIA NASIONALY SY REZIONALY

 Araka ny Fehen-kefidra navoakan’ny Ekipa Nasionaly tamin’ny fivoriana 28 septambre 2008

Dia ireto avy ireo Zoky voatendry ho Filoha sy ho Filoha Mpanampy eo anivon’ny Mpiray dia Nasionaly  sy ny Ekipa Rezionaly

 

Notendrena ho Filoha Mpanampy Nasionaly

Zoky RASOANAIVO Rôlin Gabriel (Toamasina) – Ekipa Sampana Maitso

Zoky Gabriel ( Mahajanga ) – Ekipa Sampana Maitso

Zoky Nantenaina (Itaosy) – Ekipa Sampana Mavo

Zoky Herivola (ex Tonia Itaosy)- Ekipa sampana Mena

 

Notendrena ho Filoha Filoha mpanamy mpiray Dia Rezionaly

SAMPANA MENA:

Zoky Liva (Tonia Liva – Sabotsy namehana)

SAMPANA MAITSO

ANDRIAMIHARISOA Nomenjanahary Tojosoa Valerie Joseph (Itaosy)- Sampana Maitso

DENIS ZERVUS Réné ( Sabotsy Namehana) – Sampana maitso

NATOLOJANAHARY Sahobilalaina Ambinintsoa Fenohasina (Itaosy)

SAMPANA  MAVO

Tonia RANAIVOSON Onjaniaina (Ambohidratrimo )

Tonia RAMANANTSOA Hery Zoa ( Sabotsy Namehana)

Ny fametrahana azy ireo amin’ny toerany dia mandritra ny lanonana fanokafana ny taom-panabeazana 2008-2009 izay hatao ny 16 Novambra.

 Raha te ahafantatra ny “Fepetra sy ny Fanendrena ary Andraikitra” mikasika ny Ekipa Rezionaly (Filoha mpiray dia rezionaly) ise, dia tsindrio eto (document pdf )!

Filoha Andry

Filoha Andry @ 11:41
Enregistré dans VAOVAO
Validation Camp de formation « Manjakandriana Déc 2007″

Posté le Jeudi 2 octobre 2008

ITY NY TATITRY NY VOKATRY NY LASY FIOFANANA TAO MANJAKANDRIANA -Déc 2007

SAMPANA MAVO

Validées 1° degré :

  • RANDRIAMIADANARIVO Vonjy Ravaka (Lovitao) – Ambohidratrimo
  • HASINANDRIANINA Estelle Zita (Voronkely) – Itaosy
  • MAMISOA Fanasina Honorine (Lovitao) – Toliara

Validées 2° degré

  • PRISCARINE Jwana Clarita (Voronkely) – Toamasina
  • RANDRIAMIHARISOA Andoniaina (Lovitao) – Itaosy
  • ANDRANARINOSY Onja Harilalaina (Lovitao) – Toamasina

Validées 3° degré:

  • RASOANIRINA Berthine (Voronkely) – Iavoloha

Ny Bekotro:

  • ANDRIANJAFY Lanto (Sabotsy namehana)
  • RANAIVOSON Onjaniana (Ambohidratrimo)
  • RAMANANTSOA Hery Zoa (Ambohidratrimo)
  • Bekotro 2 – Tonia Nantenaina (Itaosy)

SAMPANA MAITSO

Validés 2° degré:

  • RAKOTONIRINA Jean Claude Mathieu (Itaosy)
  • RAMAROSATA Thierry Fenosoa (Itaosy)
  • RANDRIANANTENAINA Sedrafitiavana Joêl (Ambohidratrimo)
  • FANIRY HERISOLO Patrick Nomenjanahary (Ambohidratrimo)
  • RAKOTOMANANA Fanomezantsoa Celestin (Toliara)
  • SOJAFARALAHY (Toliara)
  • RALAY RANDRIAMANAINGA Hery B Romeo (Toamasina)
  • RAZAFIMIARINA Simone Luizette (Toliara)

Validés 3° degré:

  • RAJAOHARISON Herinavalona Willy (Ambohimalaza)
  • RAFARATIANA Eugenie (Ambohimalaza Rova)
  • RAOELIMANANA Julie Pascaline (Ambohimalaza)
  • RATOLOJANAHARY Niriana Valisoa (Sabotsy namehana)
  • RASOANIRIANA Saholiniaina (Itaosy)

Tsy voatonona eto kosa ireo Bekotro Sampana Maitso.

Filoha Andry @ 10:24
Enregistré dans TADIDY
RAOK’ANDRO ZAVA-MANIRY Ilaintsika skoto rehetra

Posté le Mercredi 1 octobre 2008

Une tisane qui désigne un gruau d’orge puis une décoction, est une boisson aux propriétés faiblement curatives obtenue par macération, décoction ou infusion de matériel végétal (fleurs fraîches ou séchées, feuilles, tiges, racines), dans de l’eau chaude ou froide.Le terme « tisane » s’emploie pour toutes les préparations ainsi que le thé, sauf pour le café.

Préparation

Les différents modes de préparation ont tous pour but d’extraire les principes actifs des végétaux.
- La macération consiste à laisser tremper le matériel végétal dans l’eau froide pendant plusieurs heures. On parfume ainsi de l’eau à la menthe, à la mélisse, etc.
- L’infusion consiste à verser de l’eau chaude sur le matériel végétal puis à le laisser tremper pendant quelques minutes. Par exemple : infusion de verveine, de tilleul, de badiane, de sauge, etc.
- La décoction consiste à jeter le matériel végétal dans l’eau, à porter celle-ci à ébullition pendant quelques minutes, puis éventuellement à la laisser refroidir. Par exemple : décoction de queues de cerises, de prêles, d’avoine, etc. La décoction contient toujours une plus grande quantité de principes actifs de la plante que l’infusion.
Quelle que soit la préparation, le liquide obtenu est en général filtré avant d’être bu.
Les tisanes sont parfois adoucies par adjonction de sucre, de miel, etc.

Les tisanes et leurs propriétés

Beaucoup de Malgaches aiment prendre de temps en temps de la tisane et qu’ils appellent dans toutes les régions Tambavy. Ils les préfèrent quelques fois à certains médicaments, surtout en brousse.

Anis vert : antispasmodique, stimulant, digestif, gaz intestinaux
Artichaut : fait baisser l’urée et le cholestérol, stimule reins, foie, pancréas
Aubépine : tonique du cœur, calmant
Basilic : stomachique, diurétique et stimulante
Cannelle : tonique, excitant, antispasmodique
Cassis : diurétique, stimule le foie et la rate, amygdalite
Chicorée : calculs hépatiques, dépuratifs reins et rate
Eucalyptus : désinfectant, fièvre, bronchite, grippe
Fenouil : stimulant estomac et intestin, digestion, aérophagie
Framboise : diabète, intoxication, rhumatisme
Gingembre : stimulant, stomachique, sudorifique
Laurier : antiseptique, toux, insomnie, spasmes
Lavande : calmante, diurétique, asthme, contusion
Menthe : analgésique, calmante, aphrodisiaque
Oranger : antispasmodique, sudorifique
Ortie : fortifiant, urticaire, diabète, régénère le sang
Persil : reconstituant puissant, anti-infectieux, source de vitamine C
Pissenlit : draineur général, cellulite, acide urique, constipation
Sauge : œstrogène naturel, excite les fonctions sexuelles, stérilité, dépression
Thym : antiseptique puissant, anémie, bronchites, angoisse
Tilleul : calmant, migraine, angoisse, insomnie, cholestérol
Verveine : congestion de la rate, diurétique, gaz intestinaux

Source: Gazette officielle des thérapeutes

Mba lazao amin’ny teny gasy hoe ny anaran’ireo zava-maniry ireo raha mba misy mahalala, toy ny hoe Gingembre = sakamalaho , inona izany hoe analgésique izany ohatra?

Filoha Andry @ 9:34
Enregistré dans SECOURISME
Mankalaza ny faha folo taonany ny skotisma T.O.M

Posté le Mardi 30 septembre 2008

10 Taona ny tomima sy orima madagasikara

 Mankalaza ny faha folo taonany ny skotisma T.O.M Amin’izao fotoana izao ; niorina tamin’ny 08/08/98 ny fikambanana ary dia mbola mijoro sy miroborobo hatraminizao 

 Fandaharam-potoana :

Maro ireo karazana hetsika izay hatao ho entina manamarika izao faha folotaona izao, Raha somary mangingina ny fanombohana ny fankalazàna (satria isaky ny lasy lehibe izay natao farany teo izany, (fanokanana fotona 12h :00 ka hatramin’ny 13h :00 hitondrana ambavaka ny fikambanana sy hanaovana ireo « fanekena skoto » rehetra hoan’ireo vao hanao izany) dia hisy lanonana mihaja sy ampahibe-maso kosa izay hatao amin’ny volana Novambra izao :

Hanokatra ny taom-panabeazana 2008-009 isika ka tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha folo taona izany

 Ny 14-15-16 Novambra 2008

Hisy ny lasy fisindana izay hanehoana ny fomba fiainana skoto amin’ireo ray amandreny sy mpikambana ato amin’ny Fikambanana Apokalypsy eto Madagasikara ; io lasy io dia hatao eny Antsavatsava itaosy (Lasy – fampisehoana no hatao)

 Ny Sabotsy 15 Novambra

Ny tolak’andro dia  fanolorana ny ekipa nasionaly vaovao sy ireo trananiny , ary ny ekipa rezionaly na ny mpiray dia rezionaly hisahana ny rezionaly Antananarivo.

 Afon-dasy

Ny takariva dia hisy ny afon-dasy lehibe izay tanterahin’ny tomima sy orima rehetra, ary azon’ny olon-tsotra atrehana.

 Ny alahady 16 Novambra

Hisy  ny lanonana skoto izay hanokafana ny taom-panabeazana

 Ho fanomanana ireo programa eo ambony ireo dia hisy ny D special faha 10 taona izay hatao ny 12 Oktobra 2008 ao amin’ny Foibe Apokalypsy.

Filoha Andry - Tatitry ny fivorian’ny Ekipa Nasionaly tamin’ny Alahady 28 Septambra 2008

Filoha Andry @ 15:45
Enregistré dans VAOVAO
Ny tontolom-panabeazana Skotisma zazalahy Katolika

Posté le Mardi 30 septembre 2008

 Ny Tsara ho fantatra mikasika ny skotisma Katolika (A.I.M)

« …Ny tontolon’ny fanabeazana Antilin’I Madagasikara

 

Tamin’ny taona 1923 no niorina teto Madagasikara ny skotisma katolika. Mbola sampan’ny Scout de France izy tamin’izany. Ny taona 1957 kosa izy dia efa nahaleo tena ka nitondra ny anarana hoe “Antilin’i Madagasikara” na AIM ka voafehin’ny hitsivolana faha 60133 tamin’ny 03 – 10 – 60 izay nasiam-panovana tamin’ny hitsivolana 75017 tamin’ny 19 – 08 – 75 . Mpikambana ao amin’ny CICS (Conférence Internationale du Scoutisme Catholique ) sy ny OMMS (Organisation Mondiale du Mouvement Scout) izy noho izy ao amin’ny FSM (Firaisan’ny Skotisma Malagasy) hatramin’ny 16 – 12 – 60.

      Amin’ny maha fikambanam-panabeazana ho amin’ny fitoriana ny evanjely azy dia nankatoavin’ny fivoriamben’ny eveka tamin’ny 1957 ny fijoroany eo anivon’ny eglizy katolika toy izany koa ny maha mpikambana azy ao anatin’ny vovonan’ny tanora sy ny CEPAL.

        Araka ny fitsipi-pitondrana sy ny fitsipika antokantrano mifehy azy dia afaka miara-miasa amin’ny fikambanana hafa mitovy tanjona sy zava-kendrena amin’ny ny fikamabanana mandritry ny fotoana voafetra.

Feno 5300 ankehitriny ireo mpikambana ara-dalana nahaloa vatom-panorenana ary diosezy 20 amin’ireo 21 eto Madagasikara no irotsahan’ny AIM ka anabeazany ankizy lahy sy tanora amin’izao fotoana izao.

Azo sokajiana ho telo ny mpikambana ato amin’ny  Antilin’i Madagasikara :

  1. Ny mpikambana Mpanabe sy Mpiahy (Membres titulaires) , dia ireo izay nomem-pahefana sy nankatoavina hampiasa sy hampihatra ny fomba fanabeazana skoto ary hampanaja ny fepetra amam-pitsipika mifehy ny Fikambanana.

  2. Ny mpikambana Beazina (Membres adhérents) dia ireo ankizy sy zatovo lahy beazina sy miofana araka ny skotisma.

  3. Ny Sakaizan’ny Antilin’i Madagasikara (Membres associes) dia ireo izay mankasitraka ny Fikambanana ka mirotsaka ao anatin’ny Fikambanan’ny sakaiza isaky ny ambaratonga.

Ireo singa fito mandrafitra ny vato fehizoron’ny fanabeazana Antily

-Ny lalàna sy velirano: faneken’ny ankizy sy tanora hiezaka hivelona amin’ny soa toavina skoto izay ambarany amin’ny teny sahaza ny taonany sy ny fiaraha monina malagasy

-Ny fiainana an-tarika: mampiombona ny ankizy na tanora 6 na 8 mitovitovy taona ao anatin’ny tarika iray. Ao izy no miara-monina, mizara andraikitra, mifanohana sy mifanitsy am-pirahalahiana.

-Fifandraisan’ny mpanabe sy beazina: olon-dehibe matotra sy niofana no miara-dalana amin’ireo beazina: miahy sy manampy ireo ankizy sy tanora toy ny zoky no andraikiny

-Lahasa avy hatrany no anabeazana ato amin’ AIM fa tsy fampianarana, na resa-be

-Lahasa mahaliana sy mahasarika: lahasa ezahina hamaly ny hetahetan’ireo beazina, iarahany tapahina sy omamina ary tanterahana

-Lahasa mampivoatra ny tenany: lahasa amantarana zava-baovao, ampiasana fahaizana, sady mahamatotra toetra amam-pihetsika

-An-kalamanjana indrindra no anabeazana mba hisetrana ny natiora hamolahana azy fa indrindra hitiavana azy

 Ireo hevitra fototra ijoroan’ny fanabeazana Antily

Raha fihavanana no resahina dia tokony hiseho hatrany ny fanampiana, ny fanajana, ny fitokisana ary fitiavana

-Mihavana amin’ny tenany, izany hoe: matoky ny tenany sy ny ho aviny, mijoro amin’ny maha izy azy ary mandray an-tanana ny fivoaran’ny tenany

-Mihavana amin’ny tontolo iainany, izany hoe: mamantatra sy tia ary matoky ny tontolo iainany ka tsy very mandeha na an-tsaha na an-tanàna.

-Mihavana amin’ny mpiara-belona, izany hoe: vonona hihaino sy hijery ny mpiara-belona aminy, hampahomby ny fifandraisana aminy. Mamantatra sy mampihatra ny atao hoe marina, rariny, hitsiny ary firaisan-kina.

-Mihavana amin’Andriamanitra, izany hoe: matoky ny heriny sy ny fitiavany ka mivelona araka ny finoana. Mandray andraikitra ho fampandrosoana ny fanjakan’Andriamanitra… »

Source : Andry Harivola -Site web AIM

Nanangona: Filoha Andry

Filoha Andry @ 13:31
Enregistré dans Ny Fikambanana